Voices for Democracy and Justice is an independent platform run by independent journalists, activists and human right defenders amplifying stories about human rights and the issues that shape communities across Madagascar.

 

We cover politics, governance, environment, climate justice, education, health, inequality, media freedom, corruption, and community rights. We give space to voices that are often ignored or silenced, while remaining independent from political and institutional influence.

 

Support independent journalists telling stories that matter.

Contact: contact@voicesofordemocracyandjustice.org

Trohy tsikelikely izay ambim-bola ao?

 

Raha ny marina dia tohin'ny fahana kely ahazoana volabe ity resaka eto ity,  mety ho fanazavana ihany koa amin'ny antony iray mahalany tampoka ny fahana ho an'ny mpiantso sy mpisera izy ity. Hay moa tsy mitsahatra hatreo ilay karazana fisintonam-bola tsy araka ny fampiasan'ny mpikirakira ny finday fa misy fomba hafa izay mety ho hita any amin'ny faritra hafa ivelan'i Madagasikara ihany koa. Tsy hoe tsy misy mitory na tsy misy mitaraina ny olona dia tsy hidika ho halatra ny zavatra atao. 

 

Ireo mpanome tolotra antso sy aterineto rehetra ireo dia samy manana ilay "fanamorana" na paika hahazoana sara mora kokoa amin'ny fanaovana zavatra iray. Manana anarana isankarazany izany eto Madagasikara, misy ny antsoina hoe sera, mlay sy izay rehetra anarana hafa iantsoana azy. Taka-bidin'ny besinimaro tokoa izy ireny saingy misy fandrika ao ambadika. Inona ilay fandrika? Misintom-bola isan'andro izy io amin'ilay sanda fampiasan'ilay olona iray... raha nampiditra fahana ahafahana miantso avy hatrany amin'ny sara 500Ar ny mpanjifa iray dia avaozin'ny mpanome tolotra avy hatrany tsy ankiera iny ny ampitso ka trohiny tsikelikely ao izay ambim-bolan'ilay olona mandra-pahalaniny. Raha tsy misy intsony ny vola tahiry ao dia miandry ny andro hampidirana faham-bola manaraka ry zareo dia miverina trohiny tsy araka ny naim-pon'ilay mpiantso na mpisera indray izay ambim-bola tavela ao. 

 

Misy ihany ny mampilaza nalaina ilay fahana dia navadika ho amin'ilay tolotra nampiasainao farany fa raha tiana tsy hanavao ilay tolotra intsony dia mila "desactiver-na" ilay izy... atao mihevitra ilay mpiantso fa izay no hafetsifetsena mba tsy ho voasintona intsony ny vola... nefa fanabadoana amin'ny fomba ankolaka izany fa sintona ny vola raha vao tsy manao izany, amin'io mbola karohina ny toerana misy ilay fanafoanana fampiasana tolotra. Tadiavina ao amin'ny aterineto ao ilay izy, fa raha tsy mampiasa na tsy mety amin'ny aterineto ny finday dia mila mitady sy miresaka amin'ny "manampahaizana manokana" momba izany. Tsy maintsy misahirana hatrany noho izany ny olona mba isorohana an'izay paika manambaka ny fetsy sy ny bado izay.

 

Mila takìna amin'ireo mpanome tolotra antso sy aterineto ireo fa tsy rariny io hafetsifetsena io ka mila foanana ao anatin'ny tolotra ny fanavaozana ho azy ilay tolotra na dia tsy sitrapon'ilay mpiantso aza. Fa aiza moa izany ny varavarana hodondonina mba hanehoana izany fitarainana izany? Ny eto aloha sehatra iray ahafahana manao fitarainana ampahibemaso fa tsy ho tonga any amin'ny tompon'andraikitra raha tsy sendra mandalo eto izy ireo. Enga anie mba ho foana tsy ankiteniteny io fanavaozan-tolotra tsy araka ny sitrapon'ny tompom-pinday io.

 

Zo Andriamifidisoa 
zo@voicesofordemocracyandjustice.org

Izay miasa dia savaina!

Donate and Support Our Work

To continue this important work independently and reach more people, we need your support. Your donations, partnerships, volunteering, and help in spreading the word allow us to remain active and make a meaningful difference.

 

Your support helps us promote democracy, defend human rights, strengthen communities, and amplify voices that are too often unheard.

 

If you would like to support Voices for Democracy and Justice, please contact us for information about how to donate:

 

Email: contact@voicesofordemocracyandjustice.org

 

We will be happy to provide you with the available donation methods and answer any questions you may have.

Meet our team

Raveloaritiana Mamisoa

Independant journalist

Raveloaritiana Mamisoa is an independent journalist, language activist, and human rights defender committed to amplifying underrepresented voices and promoting freedom of expression, linguistic diversity, and human dignity. Through journalism and advocacy, she works to raise awareness of social issues, defend fundamental rights, and contribute to more inclusive and informed communities.

Dave Willson

Journalist 

Dave is a dedicated journalist committed to accurate, independent, and responsible reporting. Through his work, he seeks to inform the public, highlight important stories, and give a voice to perspectives that are often overlooked.

Zo Andriamifidisoa

Editor

Zo Andriamifidisoa is a blogger, active Wikipedian, and long-term editor in the Malagasy language. His writing focuses on politics and public affairs. Through his work, he analyzes political developments, explores current issues, and encourages informed public discussion.

 

Contact: zo@voicesofordemocracyandjustice.org

Why Every Voice Matters in a Democracy

Democracy depends on participation. In times of injustice, silence helps the oppressor not the oppressed. Every voice no matter how small has power.

Voices for Democracy and Justice exists to amplify those often unheard. Whether you're voting, protesting, creating, or simply speaking out, you're part of the movement for change.

Raise your voice. Justice and democracy need all of us.