Voices for Democracy and Justice is an independent platform run by independent journalists, activists and human right defenders amplifying stories about human rights and the issues that shape communities across Madagascar.

 

We cover politics, governance, environment, climate justice, education, health, inequality, media freedom, corruption, and community rights. We give space to voices that are often ignored or silenced, while remaining independent from political and institutional influence.

 

Support independent journalists telling stories that matter.

Contact: contact@voicesofordemocracyandjustice.org

Izay miasa dia savaina!

 

Sary namboarina ChatGPT iniana disoina, fantaro ny fanamian'ny polisy sy ny fanamian'ny zandary!

 

Hafakely ity Madagasikara ity, fa ny eto Madagasikara ihany no tsy mahita ny maha hafakely azy! Tsy resaka tontolo iainana sy voary mampiavaka azy sy tsy ahitana azy afa-tsy eto Madagasikara ihany no maha hafakely an'i Madagasikara fa ny fanaon'ny olona ao aminy ihany koa. Misy ny fanao tsara fa misy koa ny fanao tsy tsara!

 

Raha mivoaka eto amin'ny tranonkala ity ny resaka dia noho izy mifandraika amin'ny fitantanam-panjakana sy ny mangarahara. Ny mpifamoivoy amin'ny lalana sy ny arabe tsy maintsy efa nahatsikaritra izao toe-javatra izao na dia mety ho indray mandeha monja aza! Rehefa misy ireny kamiao mitondra arina, na entana hafa ireny, rehefa misy ireny fiarakely ihany koa fa mpitondra entana ireny dia matetika ajanon'ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana hatrany izy ireny. Dia eo matetika no misy ilay sisibola rehefa tsy te-hosavaina taratasy, dia misy iakarana mpitandro ny filaminana manao fanamiana eo aloha ka lasa tsy voasava intsony iny fiara iny eny an-dalana. Izay ilay lohateny hoe "izay miasa dia savaina". Fahita io tranga io nefa tsy tokony ho fanao mihitsy.

 

Efa nisy ny fotoana somary niato noho ny baiko avy amin'ny mpitondra ambony, indrindra tamin'ny fitondrana teo aloha, fa efa miverina tanteraka kosa ankehitriny. Matoa anefa noraisiny ny fanapahan-kevitra tahaka izany dia efa tonga hatrany an-tampony ny fitarainana noho ny fanamparam-pahefana. Any amin'ny firenen-kafa manara-dalàna, tsy tokony hisy ny fanakanana fiara na mpifamoivoy eny an-dalana raha tsy hoe nisy zavatra tsy ara-dalàna na fihetsika tsy mety avy amin'ny fiara sy ny ao anatiny. Izany hoe misy tsy fanarahan-dalàna hafa vao misy ny fanakanana sy ny fisavana. Ny eto Madagasikara kosa, amin'io tranga voatantara io, dia ny miasa no lasa tsy manara-dalàna fa ny tsy miasa tsy misy manino-maninona azy ireny.

 

Homamiadana mamely ny firenena ny kolikoly, ary avy amin'ny manampahefana isankarazany aloha ny loharanony voalohany, fa misy lalàna miaro ny manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana tsy azo alaina sary eo ampanatanterahina ny asany, izany hoe tsy azonao alaina sary ihany koa ny fandraisany izay mety ho kolikoly ataony fa ahiana ho ambony kokoa noho ny sazin'ny kolikoly ny sazy amin'ny fanaovana izany... koa ahoana moa no hahafoana io kolikoly io ao anatin'ny fiainan-taranaka iray? Raha manan-kevitra ianao dia mba ilazao izahay fa tanjotsika i Madagasikara mandroso sy lavitra kolikoly.

 

Zo Andriamifidisoa

zo@voicesofordemocracyandjustice.org

 

Izay miasa dia savaina!

Donate and Support Our Work

To continue this important work independently and reach more people, we need your support. Your donations, partnerships, volunteering, and help in spreading the word allow us to remain active and make a meaningful difference.

 

Your support helps us promote democracy, defend human rights, strengthen communities, and amplify voices that are too often unheard.

 

If you would like to support Voices for Democracy and Justice, please contact us for information about how to donate:

 

Email: contact@voicesofordemocracyandjustice.org

 

We will be happy to provide you with the available donation methods and answer any questions you may have.

Meet our team

Raveloaritiana Mamisoa

Independant journalist

Raveloaritiana Mamisoa is an independent journalist, language activist, and human rights defender committed to amplifying underrepresented voices and promoting freedom of expression, linguistic diversity, and human dignity. Through journalism and advocacy, she works to raise awareness of social issues, defend fundamental rights, and contribute to more inclusive and informed communities.

Dave Willson

Journalist 

Dave is a dedicated journalist committed to accurate, independent, and responsible reporting. Through his work, he seeks to inform the public, highlight important stories, and give a voice to perspectives that are often overlooked.

Zo Andriamifidisoa

Editor

Zo Andriamifidisoa is a blogger, active Wikipedian, and long-term editor in the Malagasy language. His writing focuses on politics and public affairs. Through his work, he analyzes political developments, explores current issues, and encourages informed public discussion.

 

Contact: zo@voicesofordemocracyandjustice.org

Why Every Voice Matters in a Democracy

Democracy depends on participation. In times of injustice, silence helps the oppressor not the oppressed. Every voice no matter how small has power.

Voices for Democracy and Justice exists to amplify those often unheard. Whether you're voting, protesting, creating, or simply speaking out, you're part of the movement for change.

Raise your voice. Justice and democracy need all of us.